Entana lany daty nodorana tao amin’ny faitra Analanjirofo
Entana efa lany daty maro no nodorana tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Anisan’ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Indostria sy ny varotra ny fanaraha-maso ireo entana hamidy eny amin’ireo tsena sy toeram-pivarotana maro.
Nandritra ny fitsirihan’ireo mpanara-maso ara-barotra (Contrôle de commerce) no nahatratrana ireo entana maro efa lany daty izay saika mbola ho hamidy eny an-tsena. Nodorana avokoa moa ireo entana lany daty tratra ireo.Mbola maro amin’ireo mpivarotra amin’ny tsena eto Madagasikara anefa no mbola mivarotra entana lany daty, ary misy amin’ny mponina anefa no mbola manjifa izany, nohon’ny hamoran’izy ireny eny an-tsena.
Aiza ho aiza ny fanaraha-maso ataon’ny Ministera ny varotra mialohan’ny hampidirana entana eto Madagasikara ?
Sitraka Rajaonarivony
