ActualitésTsidika

Vita ny fihodinana voalohany amin’ny fidirana ho zandary

Tontosa soa aman-tsara ny fiodinana voalohany amin’ny fifaninanana hidirana ho zandary any Ambositra. Tao aorian’ny fivalian’ny fiodinana voalohany dia nihazo avy hatrany ny toby any Ambositra ireo afa-panadinana.

Tsikaritra fa maro tokoa ireo tanora no liana amin’ny fanaovana asam-panjakana ary nahitana fiankarany ny taha-pahavitriana hiatrika ireo fanadinana ahafahana hidirana ho mpiasam-panjakana.Anisan’ireo mahasarika ny zatovo lahy ny fidirana ho mpianatra zandary. »Maro tokoa ny fenitra takiana amin’izany ankohatra ireo fahaizana hanadinana. Isan’izany ny fanana halavana 1,70m ho an’ny lehilahy ary 1,65m ho an’ireo vehivavy »rah any fanazava nomen’i Avotra,isan’ireo mpianatra efa tafavoaka tao amin’ny Sekoly mpanofana ho zandary any Ambositra.

« Raha vantany vao tonga tany Ambositra ireo mpianatra voafantina ny hiatrika ny fiodinana faha roa dia nandalo fitsirihana avy hatrany ho fanamarinana hiala amin’ny mety ho hosoka atao » raha nanambara ny tompon’andraikitra lehibe. « Nahitana zatovo lahy sy vavy miisa 14 arak’izany tsy nifanaraka tamin’ny fenitra takiana koa dia nalefa nody avy hatrany izy ireo » hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Ny fanadinana fiodinana faha roa izay miompana be dia be amin’ny fanadinana fampiasam-batana sy « test psycho-techniques » ary ny « entretien d’aptitude ».

« 1 431 ireo olona voafantina hiatrika ity fiodinana faha roa ity ary ho hentitra ny fijerevana ny tsy fanarahan-dalana mandritra izany »hoy kosa ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjaka, komandin’ny zandarimeria nasionaly.

Miteraka resa-be ankehitriny ny mbola fisian’ny kolikoly raha ny amin’ny fidirana ho mpiasam-panjakana izany. « Maro ny tanora mahay anefa natokana ho an’ireo zanaky ny mpanambola sy akaiky fitondrana ihany ny fanaovana izany » hoy i Norosoa tanora mpianatra maniry ny mba handray anjara amin’irony fanadianana fandraisana ho mpiasam-panjakana irony.

Tokony hitady vaha-olana araka’izany ireo mpitondra mba hampangarahara tanteraka ny fizotrin’ireny fanadinana hidirana eny amin’ny sekoly amboly ireny satria lasa ratsy laza na ny sekoly na ireo olona mpianatra nivoka nandrato fianarana avy ao.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire