Etats-Unis : Nametra-pialana ny governoran’i New-York
Nametra-pialana ny talata teo ny governoran’i New-York, Andrew Cuomo, manoloana ireo fiampangana natao taminy mahakasika ny herisetra ara-nofo tamina vehivavy maromaro. Namafisiny fa afaka 14 andro dia miala amin’ny toerana izy.Efa amam-bolana maro izy no nandaha io fiampiangana azy io ary mbola tsy niaiky izany ihany koa izy manoloana ny fitoriana nataona vehivavy iray ny herinandro lasa teo. Saingy ny tsy fanohana’ireo mpiara-manao politika taminy no anisany nanosika azy hiala, anisan’izany ny filoha Joe Biden izay anisan’ireo akaiky azy.
