Mbola variana manefy kapoakam-bary ve ny Ministra ?
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto Madagasikara.Mitaraina ny mponina indrindra ny eto ampovoan-tany noho izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. Vao migadona eny an-tsena, lafo avokoa ny vidin’entana rehetra fa indrindra ny vary izay tena foto-tsakafon’ny Malagasy. Valon-jato ariary izao ny iray kapoaka raha toa ka dimampolo sy dimanjato no tokony ho izy raha araka ny didy navoakan’ny Governemanta. Manoloana izany fidangan’ny vidim-bary izany anefa, fanamboarana kapoakam-bary manara-penitra no tetik’ady naroson’ny Ministeran’ny Varotra mba ho fitsinjovana ireo vahoaka.Na eo aza ny fisian’ny vary tsinjo, vahaolana mandalo eny amin’ny fokontany isan-tsokajiny ihany satria sady kely ny isan’ny vary tonga no vetivety dia lany, tsy ampy ho an’ireo tena marefo ny fokontany akory. « Ny vola kely eo am-pelantanana efa tsinjaraina kanefa tonga eny amin’ny tsena mora tsy misy vary akory, tsy maintsy mividy lafo satria tsy maintsy mihinana ny ankohonana » hoy i André, raim-pianakaviana iray. Ny tantsaha mpamokatra eto an-toerana tsy maintsy mampiakatra ny vidim-bary nohon’ny faharatsian’ny lalana sy ny fiakaran’ny vidin’ny lasantsy. « Ratsy ny lalana, mafy koa ny fiainana. Tsy maintsy mijery ny tombontsoanay ihany koa izahay, moa ireo mpitatitra entana ihany koa mampiakatra ny sara-pitaterana manoloana ny fiakaran’ny vidin-dasantsy » hoy ny tantsaha iray. Tsy ahenoana feo intsony moa ny Ministra Lantosoa Rakotomalala amin’izao. Ny Filoha kosa izay manamafy hatrany fa fanararaotana no betsaka eto an-toerana. Sao dia tsy ny kapoakam-bary ary no tokony atao manara-penitra fa ny fomba fiasa ao amin’ny fanjakana mihitsy aloha ?
Tsangy Randriamampianina
