Mozambique : Andefa miaramila 1495 hiady amin’ny djihadiste i Afrique du Sud
Miaramila 1 495 no alefan’i Afrique atsimo ao Mozambique hoy ny parlematan’ny afrique atsimo ny 28 jolay teo. Hanampy an’i Mozambique hanohitra ireo djihadiste izay nampihororo ny avaratra atsinanan’ity firenena ity tao anatin’ny 3 taona izy ireo. Efa nahazoan-dalàna avy tamin’ny filoha Cyril Ramaphosa ity fandefasana miaramila ity raha ny tatitra nataon’ny AFP.Efa nanomboka tamin’ny taona 2017 ireto djihadiste fantatra amin’ny anarana hoe Al-Shabab midika hoe ny tanora ireto no nampanjaka ny fampiorohoroana tao amin’ny faritanin’i Cabo Delgado, manamorona an’i Tanzania. Manan-karena gaz natoraly ny toerana saigy mahanitra ny mponina ao aminy.
