France: Hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny 2022 i Valérie Pécresse
Nilaza i Valérie Pécresse ny 22 jolay lasa teo fa hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fififdianana ho avy izao izay amin’ny 2022. Taorian’ny filazana filatsahan-ko fidiana nataon’i Xavier Bertrand sy Bruno Retailleau no nanaovany izany. Efa ministra tamin’ny andron’i Nicolas Sarkozy ny tenany ary hitondra avo ny firenena no tanjony amin’izao fifidianana izao. Te hametraka ny lamina maro eo amin’ny firenena i Valérie Pécresse.
