États-Unis : Notsaraina tao Los Angeles noho ny herisetra ara-nofo sy fanolanana i Harvey Weinstein
« Tsy meloka aho » hoy ity mpanatontosa sarimihetsika teo aloha Harvey Weinstein ity nandritra ny fitsarana azy tao Los Angeles ny alarobia teo. Voapanga nanolana vehivavy 5 izy ary nanao herisetra ara-nofo tamina vehivavy miisa 11 tao Californie ny tenany. « Efa voarakitra ity fanambarana ity » hoy ny mpitsara Sergio Tapia tao aorian’ny fanambarana nataon’ny mpisololo vava an’i Harvey Weinstein tao amin’ny fitsarana.Efa nanefa ny fanombohana ny saziny higadra 23 taona tao New York ny tenany nanomboka ny taona 2020 ary nafindra ao Los Angeles izay tanàna nananany fahefahana betsaka teo aloha kosa izy ankehitriny. Vehivavy 90 raha totaliana no efa niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ity mpanatontosa sarimihetsika ity, anisan’izany i Angelina Jolie, Gwyneth Paltrow ary Rosanna Arquette izay nitory azy. Ny 29 jolay ho avy izao no hatao ny fampanohavana manaraka.
