ActualitésTsidika

Mila hajaina ny vidin’ny lavanila araka ny kalitaony

Nanantena ny vidin’ny kilaon’ny lavanila ho 200 000 Ariary ny mpamokatra tany am-panombohan’ny fiotazana. « Diso fanantenana mihitsy izahay mpamokatra amin’ity vidin’ny lavanila midina tsy tahaka ny noeritreretina tamin’ny voalohany ity » hoy i Gerald avy any Sava. Ankehitriny tokoa mantsy dia 40 000 Ariary ny vidin’ny lavanila iray kilao.

Nisy ny fivoriana teo amin’ny mpiantsehatra sy ny mpikirakira izany taranja izany izay notaraihan’ny Governoran’ny faritra Sava; Tokely Justin. Ary tapaka nandritra izany fa 75 000 Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso. « Foto-piveloman’ny olona maro io ka aoka tsy tokony ho atao ambaninjavatra ny vidiny » hoy i Raymond, mpanara-baovao.

« Tompon’andraikitra ny amin’izany fitazomana ny vidiny izany ny sefo fokontany sy ny Ben’ny tanàna na sefo distrika izay miaina eny ifotony ka tokony handray fepetra araka ny kalitaon’ny lavanila » hoy hatrany ny Governora. Antoky ny fampandrosoana ny firenena ny famokarana ny lavanila izay isan’ny tena mmapiavaka an’i Madagasikara ka tsy tokony ho atao tsinotsinona ny vidiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire