ActualitésTatitra

Côte d’Ivoire: Toerana fijerena sinema ao Abidjan

Foana avokoa ireo sinema manodidina ny renivohitra ara-toe-karen’ny ivoariana, nanjavona. Mba hamenoana io fahabangana io dia nanangana toerana 4 ny mpandraharaha tsy miankina Majestic.Tsy voakarakara toa ireny toerana nisehoana loza ireny sisa ny toerana ankehitriny. Efa arefesina avokoa ny seza vy manga ao ambany rihana. Ao ambony kosa, feno peta-drindrina sarimihetsika ny gorodona, rakipeo VHS an’ny mpamokatra hollywoodiennes lehibe efa tany amin’ny taon-jato faha roapolo ary sary efa tototrin’ny vovoka sy ravan’ny fotoana.Ny aty ivelan’ny fijerena sarimihetsika manan-tantara Le Dialogue indray dia efa simban’ireo bala nandritra ny krizy tao aorian’ny fifidianana tao Côte d’Ivoire tamin’ny 2010 sy 2011. Tamin’izany indrindra no nahafaty ny mpitanatana farany ny toerana Sinaly Dansoko ao Yopougon izay lehibe indrindra tao amin’ny kaomina Abidjan.

Laisser un commentaire