Hongrie : Lalàna mandrara ny « fampiroboroboana » ny fiarahan’ny samy lehilahy na samy vehivavy mba « hiarovana ny ankizy »
Lalàna maneho ny « fahanalam-baraka » sy ny « fanoherana ny soatoavina fotrotry ny UE ». Tsy nilanjalanja ny teniny ny filohan’ny « Commission Européenne » Ursula von der Leyen, mahakasika ny lalàna mandrara ny « fampiroboroboana » ny fiarahan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ao amin’ny ankizy tsy ampy taona ny 23 jona teo tao Bruxelles. « Tsy misy fifandraisana amin’ny Union européenne intsony i Hongrie » hoy kosa ny praiminisitra néerlandais, Mark Rutte nitseketra lahatsoratra manavakavaka ny vondrom-piarahamonina LGBT.Na dia teo aza nefa ny fanakianana mahery avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo mpitolona amin’izany ao Hongrie dia nosaraisin’ny parlemanta nanomboka ny 7 jolay teo ilay lahatsoratra niadiana hevitra ny 15 jona. Lalàna izay mampitaha ny fiarahan’ny samy lehilahy na samy vehivavy sy ny « pédophilie » izay mpampiahiahy ireo mpitolona ho an’ny zon’olombelona.
