Hidina an-dalàm-be ny mpandraharan’ny oniversite ao Barikadimy
« Satria ve izahay mitolona am-pilaminana dia tsy misy mihaino » hoy ny nambaran’ny mpitarika ny tolon’ny mpandraharaha sy ny mpiasa ao amin’ny oniversite Braikadimy Toamasina ny zoma teo. « Efa folo andro nitolomana izahay fa tsy asian’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena fiheverana » hoy izy hatrany. Fanomezana karana ara-potoana sy karama tsy voaloha dimy volana, ny indemnité de technicité, cotisation sociale Cnaps, CPR, CRCM ary régularisation situation personnels moa no hiantefan’ny tolona ataon’ireto olona ireto.
Hiroso amin’ny mafimafy kokoa ny fitokonana hoy izy ireo ary hivoaka eny an-dalàm-be izy ireo tahaka ny fanaon’ny sasany. Araka ny fanazavana ireo mpitokona ireo dia voafitaka ministera mpiahy izay mihevitra fa mizotro ara-dalàna ny fampianarana saingy mikatso avokoa ny fampianarana ao Barikadimy ankoatra ny fitantanana sy ny toe-karena. Mikatso miaraka amin’izany ihany koa ny departemanta sy ny sampam-pianarana rehetra. Mety ampiato ireo fampianarana mbola mandeha ireo anefa ity fihetsiketsehana kasain’izy ireo atao ity.
Nicole Rafalimananjara
