SocialTatitra

Europe : Manomboka manaiky ny Covishield ireo firenena asany

Nandeha ny resaka teo aloha teo fa tsy eken’ny Union Européenne ny vaksiny nampiasaina teto Madagasikara, Covishield. Nangingina izay resaka izay teo aloha teoa ry izao niverina indray, manomboka manorina tsikelikely ny tranony ny Covishield ary efa manomboka mankasitraka azy ireo firenena eoropeanina sasany.

Nanaiky izy ireo fa ny AstraZeneca ihany no Covishield, fa namboarina tao Inde fotsiny no nahasamihafa azy. Ireo manam-pahefana sy tompon’andraikim-panjakana Eoropeanina isan-karazany no nankasitraka fa afaka miditra tsy misy sakatsankana ao anati’ny firenena eoropeanina ny covishield. Nanomboka ny voalohan’ny volana jolay teo no nanaiky ny hidiran’ireo vaksiny 4 ao amin’ny fireneny ny vondrona Eoropeanina, Pfizer BionTech, Moderna, Astrazeneca ary ny Johnson`Johnson izay tafiditra ao antin’ilay « Green pass ».

Na eo aza izany rehetra izany, tsy manakona ny fisian’ilay andiany fahatelo izay tena mampiorikoditra noho ireo efa nandalo teo akory izany. Ilaina foana ny mitandrina sy miaro tena fa efa miha-mananontanona izy ity.

Laisser un commentaire