Lavanila maintso 75.000 ariary
09 Jolay, 09h00. Nanambara ny governoran’ny faritra antsiranana fa tsy tokony ho latsaky ny 75.000 ariary ny vidin’ny lavanila maintso. Io no vidiny napetrakin’ny fitondram-panjakana. Efa nisy noho izany ny fampilazana ireo mpivarotra sy mpanjifa tany an-toerana mikasika izany.
