Saron’ny polisy ireo mpivarotra hena halatra
Lehilahy telo no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany voalohany Tanambao 5 nivarotra hena halatra tao amin’ny fokontany Grand Pavois ao Antsiranana. Fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nanatanteraka izany rehefa nahatsikaritra hena mora vidy teny an-tsena araka ny fanazavana azo.
Amidin’izy ireo amin’ny vidiny 10 000ar ny kilaon’ny hena nofony tsy misy taolany raha 18 000ar izany raha ny tokony ho izany. Nandritra ny famotorana natao no nahalalana fa omby avy any amin’ny Cap Diego ireto namidin’izy ireo ary nahavitan’izy ireo taratasy hosoka mihitsy izany. « Entanina isika mponina mba tsy hividy hena halatra fa mahazo sazy mitovy amin’ny mpangalatra izay tratra manao izany » hoy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny boriborintany voalohany Tanambao 5.
Hasina Rasamimanana
