Tontosa ny fanarenana ny toha-drano ao Ambovombe Androy
Sahirana ny mponina ao Finday kaominina Imanombo, distrikan’Ambovombe Androy noho ny fahsimban’ny toha-drano tanteraka. Efa tamin’ny Repoblika faharoa no nisy fanamboarana sy nokitihana farany izany. « Nampiena ny velaran-tany voatondraka ilay fahasimbana ka manahirana be ho anay mpamokatra » hoy mpamokatra iray tao an-toerana, « hanala ny fahasahirananay mihitsy izao » hoy izy hatrany.
Narenina sy namboarina manaraka ny fenitra ny toha-drano ary tontosa soa aman-tsara izany ankehitriny. Velaran-tany hatramin’ny 140 Ha no tombanana ho voatondrak’izany. Naorina niaraka tamin’izany ihany koa ny Trano fitehirizam-bokatra mahazaka hatramin’ny 100 taonina. Ny Governemanta, ny Minisiteran’ny fambolena, fiompiana ary jono amin’ny alalan’ny fandaharan’asa DEFIS no naira nientana tamin’ny fanatanterahana ny asa ary nambarany fa entina hamahana ny olana ara-tsakafo any atsimo ity asa ity.
Hasina Rasamimanana
