Social

Mitaraina amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina ao Ambohimena Antsirabe

Vaky mitaraina ny mponina ao Ambohimena Antsirabe ankehitriny satria mirongatra loatra any an-toerana ny vakin-trano sy ny hala-botry. « Aiza ny polisim-pirenena ? Efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny filaminana » hoy ireo mponina eto amin’ny fokontany Ambohimena Sud, vakim-paritra faha-3.

Vaky trano amin’ny alina, hala-botry amin’ny antoandro. Ripaka ny fananana, eny fa na tranon’olon-tsotra sy ny tranon’ny andrimasom-pokonolona aza dia lasibatry ny tontakely avokoa hoy ny sefom-pokontany any an-toerana. Etsy an-kilany anefa toa tsy rototra anefa ny polisy na efa misy aza ireo mametraka fitoriana sy fitarainana ny amin’izany hoy ny renim-pianakaviana iray lasibatrin’ny fanafihana.

Misy ny olona ahiahiana manao ireo asa ratsy, ka tsy tokony hangatak’andro ny mpitandro filaminana, araka ny fanazavan’ireo mponina hatrany. Miandry ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana, tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminan’ny tanàna, manoloana izao tsy fandriampahalemana miseho any izao araka izany ny vahoaka any an-toerana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire