Handray anjara amin’ny « Rugby AFRICA CUP 2021 » i Madagasikara
Efa hita ny eza-tsika Mlagasy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena. Tena nivoatra tampoka tokoa ity sehatra iray ity tato ho ato, hany ka efa manomboka miseho amin’ny lalao iraisam-pirenena isika Malagasy. Mahavelom-bolo ny zava-misy, tsara ny ezaka ho an’ny mpilalao ary mila ampitomboina hatrany izany hoy ny fanehoan-kevitry ny mpankafy iray.
Ho tanterahina ny 03 hatramin’ny 11 jolay 2021 ao amin’ny Lycée d’Excellence Alassane Ouattara de Grand Bassam, Côte d’Ivoire ny fifaninanana « Rugby AFRICA CUP 2021 » izay handraisan’i Madagasikara anjara ary hifanandrina amin’i Côte d’Ivoire sy Namibie hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Nisy araka izany ny fandaharam-potoana navoakan’izy ireo tao anaty tambajotra izay toy izao ny 03 jolay amin’ny 4 ora dia i Cote d’ivoire sy i Namibie no hihaona. raha ny 07 jolay amin’ny 4 ora no anjaran’i Namibie sy i Madagasikara ary ny 11 jolay amin’ny 4 ora indray ny an’i Cote d’ivoire sy i Madagasikara indray.
Nanamafy hatrany ny avy ao amin’ny ministera fa tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana ahazoana tapakila mandritra ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany izay ho atao any France amin’ny taona 2023 ity fifaninanana ity. Manohana hatrany ny ekipam-pirenena isika Malagasy.
Nicole Rafalimananjara
