Notsorina ny fanaovana “certificat de position militaire” ho an’ireo any amin’ny faritra
Misy fahasarotana ny fanaovan-taratsy raha any amin’ny faritra ilay olona. Soa fa efa misy ny serasera am-pitain-davitra ami’nny alalan’ny fampiasana ny hairaha. Somary sarotra ny mandefa taratasy any Antananarivo raha aty aminay satria sady lavitra no tena manahirana hoy ny tanora iray avy any Morondava. Nanolotra vahaolana ny amin’izany ny avy ao amin’ny tafika Malagasy mikasika ny fanavaozana na fanaovana ny « certificat de position militaire » ho an’ireo mipetraka any amin’n faritra.
Azo atao mantsy manomboka izao ny manao ny fangatahana amin’ny alalan’ny fandefasana mailaka amin’ny adiresy izay natokana ho amin’izany (dsngr.andohalo@gmail.com). Tsotra ny zavatra ilaina hoy ny tompon’andraikitra satria fangatahana misy ny sonian’ny mpangataka no ilaina, miampy ilay position militaire teo aloha ho an’ireo izay hanavao ary kara-panondrom-pirenena nomerika sy karatra maitso nomerika ho an’ireo izay manana. Fa ho an’izay tsy manana kosa mila mitsara miaramila amin’ity taona ity hoy ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy.
Misy fetra ny faharetan’ny certificat de position militaire ho an’ireo tsy manana karatra maintso mitaha ireo manana raha ny fanazavana azo. Fa ho an’ny efa eto Antananarivo kosa dia azo atao ny manatona mivantana ny DSNGR Andohalo hoy ny tompon’andraikitra. Ity no maha-zava-dehibe ilay karatra nozaraina faobe vao volana vitsy izay, ilaina araka izany ny fananana izany ka tokony hanararaotra rehefa misy andro natokana ho an’ny fizarana ireny.
Nicole Rafalimananjara
