Famitàna ny toha-drano ho an’ny faritra Analanjirofo
Isan’ny miantoka tanteraka ny fiainan’ny tantsaha eo ami’nny sehatry ny fambolena ny fisian’ny tohadrano. Miantoka ny fanondrahan’ny tanimbary ny fisian’ny toha-drano hoy ny tantsaha iray tany amin’iny faritra Analanjirofo iny.
Vita tanteraka tokoa mantsy ankehitriny ny tohadrano ao Sahanofia Faritra Analanjirofo. Velaran-tany mirefy 200 ha eo no ho voatondraka noho ny fahavitan’ity tohadrano ity ka tokatrano miisa 254 eo no hisitraka izany hoy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Ny tanjona dia hampitomboana ny vokatra sy hanomezana asa hoan’ireo mponina mivelona amin’ny tontolon’ny fambolena any amin’iny faritra iny.
Ny tantsaha ihany koa no miantoka ny sakafo ka rariny raha tohanana araka izay filàny izy ireo. Ny fambolena araka izany no sehatra mila velarina indrindra eto Madagasikara noho izy mandrakotra ny 80% ny mponina eto amin’ny nosy.
Nicole Rafalimananjara
