ActualitésTsidika

Mila ezaka ny fialàna amin’ny fahatapanan-drano

Mampimenomenona ny vahoaka malagasy ny fahatapahan-jiro lava izay lasa toa matetika mihitsy tato ho ato. Amin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa no isan’ny marika amin’ny fanajana ny asa hoy ny tanora iray teny amin’ny tranon’ny mpianatra teny.

« Tapaka lava na ny jiro na ny rano ety Ambanidia ety ka tena mijaly izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray teny Ambanidia teny. Etsy an-kilany, miezaka mamaha ny olana ny Jirama main’ny alalan’ny fanoloana fantson-drano maneran any faritra maro eto Antananarivo renivohitra. Fantson-drano mirefy 1 343 metatra no nosoloina eo Ambanidia ka hatrany Andohalo nanomboka ny talata 29 jona lasa teo. Ny tanjona dia ny hitondra vahaolana maharitra amin’ny famatsiana rano tsy tapaka eny amin’ireo toerana ireo hoy ny avy ao amin’ny JIRAMA.

Haharitra roa volana ny fanatontosana izany rah any fanazavan’izy ireo hatrany. Ho tapitra hatreo ve ny olana ho an’ireo faritra ireo amin’ny resaka rano raha tena maharitra tokoa ny vahaolana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire