Feno 73 taona androany i Père Pedro OPEKA
Olo-manga sy mitondra mamy eto amin’ny firenena i Père Pedro. Anio 29 jona dia mankalaza ny faha 73 taonany izy. Teraka ny taona 1948 tao San Martin ao Argentine ny tenany. Tonga teto Madagasikara kosa izy ny taona 1970, raha mbola mpanao trano tao amin’ny paroasy Lazarista, tao Vangaindrano no antondihany. Toerana mbola anisany nahantra indrindra ka manampy ny tantsaha hanatsara ny fambolena vary, hany kotrana ary kafe ny tenany. Namory vondron’olona sy tanora ihany koa izy hanampiana azy hieritreritra sy hanangana tetik’asa iraisana ary hahay handray an-tanana ny hoaviny tamin’izany fotoana.
Tsy vitsy ireo mahafantatra azy sy ny asa soa maro be efa nataony ho an’ireo sahirana eto Madagasikara. Ny Akamasoa no tena ahafantaran’ny maro azy ity pretra Argentin ity kanefa efa nanampy olona maherin’ny 500.000 tao anatin’ny 50 taona niasany teto izy vao nanambatra ny tsy manan-kialofana ho eny amin’ny Akamasoa. Ity farany izany efa misy 32 tao ankehitriny, natsangany ny taona 1989 raha nahita ny fahasahiranan’ny olona teny an-toerana izy.
Natolotry ny Praiminisitra Slovène, Janez Janša ho anisan’ireo mpifaninana amin’ny « Prix Nobel de la Paix 2021 » izy. Ny « Prix Nobel de la Paix » moa dia mari-pankasitrahana atolotra ho an’ny olona na fiaraha-monina izay tena nandray anjara tamin’ny famporisihana ny fahandriam-pahalemana sy ny fanindrahindrana ny zo maha-olona. Mendrika azy tanteraka izany.
