ActualitésTsidika

Kianja Barea Mahamasina

Ny taona 2019 nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan’ Afrika tany Alexandrie Egypte izay nandraisan’ny ekipam-pirenena Malagasy anjara no nampitsiry ny hevitra hanangana kianja filalaovana baolina kitra manahaka ity kianja ity.

Nandritra ny fodian’ny Barea teto an-tanindrazana ny 15 jolay 2019 no nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina fa ny Stade Municipal Mahamasina no havaozina ho lasa Kianja Barea ary atao afaka handraisana olona avo roa heny noho Alexandrie izay mahazaka hatramin’ny 20 000 olona eo ho eo. Mitentina 77 tapitrisa dolara ny vola natontona mba hanamboarana ity kianja ity ary araka ny nambaran’ny loharanom-baovan’ny CAF, ny filoha malagasy no nikaroka sy nitady famatsiam-bola tamin’ny fanorenana fa tsy nisy famatsiam-bola avy amin’ny CAF na FIFA ny fanatanterahana izany.

Novinavinaina ho vita tao anatin’ny 18 volana ity kianja ity. Ny volana jona 2020 no tokony ahataperan’izany saingy noho ny valan’aretina Coronavirus, tsy tratra izany noho ny fahataran’ny fanombohan’ny asa. Na izany aza, efa afaka mandray hetsika isan-karazany ity kianja ity ary efa nosokafana tamin’ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara izany. Tonga amin’ilay fitenenana hoe « mihaingo ambony tsikoko » i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire