Grande Bretagne : Nametra-pialàna ny Minisitry ny fahasalamana, Matt Hancock
Nilaza ny fametra-pialàny i Matt Hancock, Minisitry ny fahasalamana any Grande Bretagne, ny sabotsy 26 jona lasa teo. Ny antony dia noho ny tsikera mikasika ny tsy fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana nisy tany an-toerana. Olon’ny politika maro ihany koa no voatery hiala amin’ny asany noho ny valan’aretina Covid-19 satria nanitsakitsaka lalàna sy nanao kolikoly, nanao an-tsiarmbina ny asa sy nanavakavaka. Nihaiky ity Minisitra ity fa nanitsakitsaka ny torolàlana momba ny fahasalamana napetraka hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Nametraka ny fepetra amin’ny elanelana ara-tsosialy izy kanefa tratra tao amin’ny horonantsary iray izy fa nikasikasika ny “assistante” iray tao amin’ny biraony.
