Efa niala an-tanindrazana ny mpanazatra sy ny mpilalao Barea avy any ivelany
18 Jona, 09h12. Nanainga androany maraina teny Ivato ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany.Hihazo ny klioba misy azy tsirairay avy no anton’ny niaingany. Tahaka izany ihany koa ny mpanazatra, Rabesandratana Eric sy ny mpiara-miasa aminy. Efa vita rahateo ny fampivondronana nataon’ny ekipam-pirenena Barea tao anatin’ny 12 andro.
