SocialTsidika

Tetik’asa hiarovana ny soka-dranomasina sy ny ahidrano

Ahitana ireo karazan-javamananaina maro ao amin’ny tontolon’ny ranomasina toy ireo voron-dranomasina sy ny soka-dranomasina. Miha simba anefa ankehitriny izany tontolo mahafinaritra izany satria simba ireo ala honko izay mitarika ihany koa ny fahsimban’ny ahidrano sy ireo zavamananaina ao aminy. Nilaza ihany koa ny mponina iray tao Analalava fa isan’ny tena mandripaka ny harena an-drano toy ny soka-dranomasina ny fihinana sy ny fihazana azy ireny izay tokony handraisan’ny tompon’andraikitra an-tanàna akaiky ny toe-draharaha. Misy araka izany ny tetik’asa ho fiarovana ny soka-dranomasina sy ny ahidrano any amin’ny faritra Avaratra andrefan’i Madagasikara. Izany dia mikendry indrindra ny amin’ny fitantanana ireo voalaza ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fomba famatsiam-bola maharitra, ny fananganana drafitra sy fampanarahan-dalàna mirindra ary ny fampandraisana andraikitra ireo mponina ifotony amin’ny fitantanana maharitra sy lovainjafy ny harena an-dranomasina. Ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny PNUE no manandrafitra ity tetik’asa izay vatsian’ny tahirim-bola iraisampirenena ho an’ny tontolo iainana na ny FEM. Mandritra ny 5 taona no hanatanterahana izany an amin’ny faritra Avaratra Andrefana izay ahitana an’I Baie de Diego sy Analalava.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire