Ivon-toerana fanaovam-baksiny ao amin’ny Trade Tower Alarobia
Efa miroso amin’ny fanaovana ny vaksiny fanefitry ny covid-19 ny ankamaroan’ireo orinasa eto Madagasikara mba hiarovana ireo mpisehatra rehetra ao aminy. Eo ihany koa ny mba ahafahana miverina eo amin’ny sehatry ny asa amin’izay na dia mbola tsy resy tanteraka aza ilay valan’aretina. Mikasika izay indrindra, naorina etsy amin’ny Trade Tower Alarobia ny ivon-toerana fanaovana vaksiny ho an’ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM) izay iarahany miasa amin’ny OMS. Ireo mpikambana ao amin’ity vondrona ity sy ny fianakaviany no hisitraka izany fanaovam-baksiny eny Alarobia izany araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Nanomboka omaly 10 jona ity fanaovana vaksiny eny Alarobia ity ary hifarana ny 12 jona ho avy izao. Miara-miasa akaiky amin’ny OSTIE sy ny AMIT ihany koa ity vondrona ity amin’izao fanaovana ny vaksiny fanefitry ny covid-19 eo anivon’izy ireo izao. Hatreto, mbola azo lazaina ho vitsy ireo resy lahatra sy nisitraka ity vaksiny fanefitry ny covid-19 ity na dia efa maro aza ireo fanentanana mandeha. Maro ireo matahotra ny amin’ny fiatraikany amin’ny fahasalamana sy ny resaka “effet secondaire” amin’ny fanaovana azy ity. Na izany aza, mitohy hatrany ny fanaovana izany indrindra ho an’ireo fikambanana sy orinasa isan-karazany sy ireo marefa ara-pahasalamana.
Ally Herisoananahary
