Italie : Hamafisina ireo dingana ara-pahasalamana mandritra ny EURO 2021
Hanomboka androany 11 Jona ny andiany faha 16 amin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i Europe amin’ny baolina kitra na dia nisy aza ny fanemorana herintaona izany noho ny aretina COVID-19. 24 ireo ekipa handray anjara amin’izany ary hisy mpanatrika ihany koa izany indrindra no hanamafisana ny fitandremana ara-pahasalamana. Any Rome, Italie no hanaovana ny lalao ho amin’ny androany izay hihaoanan’i Turquie sy i Italie raha ny tapakin’i Filoha teo alohan’i UEFA, Michel Platini. Kianja maro manerana ny firenen’ireo ekipa 24 ireo no hanatanterahana izany EURO izany ka hisy ny mpanatrika an-kianja indrindra ho an’ireo mpanohana ny ekipany fa kosa arahana tsara ny fitsipika ara-pahasalamana araka izay azo atao.
