Fanampiana ho an’ny mpampianatra
Sahirana ny lafiny tsosialy manoloana izao valan’aretina izao. Eo ihany koa ny fahasahiranana nahazo ireo mpampianatra nandritra ireny fotoana tsy nianarana ireny indrindra ny mpampianatra tsy miankina. Nisy ny Tosika Fameno izay nitentina 100 000 Ariary isaky ny mpampianatra. Niisa 56 250 no nisitraka izany. Natao hiatrehany ny famenoana ny banga amin’ny ankabopeny izy io. Mpampianatra 53 483 ihany koa no hisitraka ny fanampiana manokana avy amin’ny fitondram-panjakana izay mitentina 300 000 Ariary isan’olona. Tsy nandray karama satria tsy niasa, ireo ray aman-dreny ihany koa sahirana ka tsy afaka nandoa ny saram-pianarana. Ny zanany rahateo tsy nianatra ka tsy fantatra izay fomba handoavany saram-pianarana, hoy mpampianatra tsy miankina iray izay isan’ny hisitraka io fanampiana io. Maherin’ny 2 177 000 tapitrisa Ariary no fanampiana ho an’ny sekoly tsy miankina, izay ahitana sekoly 4 000 sy mpampianatra 36 500 ary ireo Fitelavana Nasionaly, ny rantsa-mangaika sy fikambanana miisa 10.
Nicole Rafalimananjara
