SocialTatitra

Belgique : Mandeha ny adihevitra mikasika ny fiakaran’ny karama

Niakatra ny karama manerana an’izao tontolo izao kanefa niakatra niaraka izay ihany koa ny vidim-piainana. Mampihena ny fahefa-mividy anefa ny samy fiakaran’izy roa tonta ireo ka tsy mampiakatra ny eo amin’ny lafin’ny ara-toe-karena akory. Raha ho an’i Belgique manokana, efa ela no nisy ny ady hevitra mikasika ny karama teo amin’ny rantsana sendikaly sy patronaly. Ny an-kilany, mangataka ny hanondrotana haingana ny karama mba hanatsarana sy hampiakarana ny fahefa-mividy ho an’ireo mpiasa. Ny an-daniny kosa mangataka ny hampiakarana izany tsimoramora mba tsy hahakivy avy hatrany ny mpampiasa sy ny mpampiasa vola eto amin’ny firenena. I Belgique ihany koa dia isan’ny firenena mandeha ho azy amin’ny fampiakarana karama manaraka ny “niveau”. Tapaka araka izany fa ny mpampiasa sy ny mpiasa ihany no mifampiresaka amin’ny fampiakarana ny karama araka ny tokony ho izy sy araka izay tsy mahafaty antoka ny roa tonta.

Laisser un commentaire