France : Tafiditra tsara anaty lalao i Novak Djokovic sy i Rafael Nadal
Seta 3-0 no nandavoan’izy roalahy ireo mpifanandrina aminy : i Rafael Nadal nanintsana an’i Alexei Popyrin (6-3,6-3,7-6[7-3)]) ; i Novak Djokovic kosa nanintsana an’i Tennys Sandgren (6-2,6-4,6-2). I Richard Gasquet no mpifaninana manaraka hifanandrina amin’i Rafael Nadal ; i Pablo Cuevas kosa no an’i Novak Djokovic.Miditra an-tsehatra indray androany i Aleander Sverev, hihaona amin’i Roman Safiullin. Tahaka izany koa i Stéfanos Tsitsipas, hifanandrina amin’i Pedro Martinez ; ary i Daniil Medvedev, hihaona amin’i Tommy Paul.
