Vietnam : Manamafy ny fepetra ara-pahasalamana
Mandray fepetra hentitra i Vietnam manoloana ny fiparitahan’ny tsimok’aretina. Nasiana fihiboana ampahany ao amin’ny tanànan’ni Ho Chi Minh, renivohitra ara-toekarena any an-toerana, noho ny onja vaovao amin’ny valan’aretina covid-19. Nandray fanapahan-kevitra ihany koa ny tompon’andraikitra fa hanisy fepetra ao Saigon, tanàna lehibe indrindra amin’ity firenena ity. hapiharina ihany koa ny fihiboana tanteraka amin’ireo tanàna tena voakasika. Ao anatin’izany, nanapan-kevitra ny OMS fa hanome anarana amin’ny “variants” manaraka ny litera grika. Nofaritan’ny manam-pahefana ho toy ny fitambaran’ny karazana tsimok’aretina Indiana sy anglisy ity tsimok’aretina coronavirus vaovao ao Vietnam ity.
