Mampametra-panontaniana ny fandinihin’ny solombavambahoaka ny lalàna mikasika ny hanomezana ny zom-pirenena Malagasy ho an’ny vahiny
Niteraka fanehoan-kevitra maro ilay volavolan-dalàna mikasika ny hanomezana ny zom-pirenena Malagasy ho an’ireo vahiny. Efa voafidy teo anivon’ny Antenimierandoholona ny volana jolay 2020 izy ity ary efa nandalo asam-baomiera teny anivon’ny antenimierampirenena. Anio talata 01 Jona no handinihan’ireo solombavambahoaka ny lalàna n°001-2021/PL ny amin’ny zom-pirenena izay natolotry ny solombavambahoaka Fiarovana Lovanirina Célestin voafidy tao Betafo. Maro moa ireo naneho hevitra hoe tokony ho fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy no atao fa tsy fifidianana eny amin’ny antenimieram-pirenena satria goavana loatra izany resaka fanomezana zom-pirenena izany ka aleo ny vahoaka tompon’ny fahefana mihitsy no handidy sy hanapaka. Filoham-piangonana 4 mivondrona amin’ny FFKM no tsy manaiky an-kitisrano ny fanomezana zom-pirenena Malagasy ho an’ny vahiny. Teo ihany koa ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre ka nilaza hoe « Ny tany efa lasan’ny karana, ny zom-pirenena no hany mba antsika, mbola homena azy ihany ve ? Mila miojro ny solombavabahoaka tsy hanaiky izany. Naneho ny heviny ihany koa ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa ka niteny hoe : « Aza hapetraka ho raharahan’ny Antenimierampirenena ihany fa ataovy raharaham-bahoaka sy raharaham-pirenena mihitsy : hanokafy adi-hevitra io » Hanao ahoana ny mety ho tohiny ? Rahampitso ihany koa no hanatanterahana ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ary ampitain-davitra ihany izany.
Nicole Rafalimananjara
