SportTatitra

France : Nandresy an’i Denis Istomin i Roger Federer

Nampametra-panontaniana ny mpanaraka ny faharesen’i Roger Federer (mpilalao faha-8 manerantany) tany Genève, amin’ny taranja tennis, tapa-bolana lasa izay. Nandrasana fatratra ity lalao voalohany nataony tamin’ny fifaninanana Roland Garros omaly ity, hitsapana raha efa ao anaty lalao tsara izy na mbola sahirankirana taorian’ny nijanonany nandritra ny fotoana maharitra. Seta telo monja no nandreseny an’i Denis Istomin (6-2,6-4,6-3). Rahampitso no lalao atrehany manaraka, hifanandrina amin’i Marin Cilic. Androany no hanomboka ny lalao i Novak Djokovic, hifanandrina amin’i Tennys Sandgren ; sy i Rafael Nadal, hifampitàna amin’i Alexei Popyrin.

Laisser un commentaire