ActualitésTatitra

Mali : Nahanton’ny Cédéao aloha ny fifanarahana amin’ny andrim-panjakana

Nivory omaly ny filoham-pirenena am-polony tany Afrika Andrefana tao Ghana ary taka nandritra iznay fa hatsahatra aloha ireo andrim-panjakana any Mali. Ny antony dia noho ny fanonganam-panjakana indroa nataon’ny miaramila ary niampy ny fanendrena avy hatrany ny Praiminisitra avy amin’ny amin’ny fiarahamonim-pirenena. Filoham-pirenena 15 mivondrona ao amin’ny Vondrona toe-karenan’ireo firenena ao Afrika Andrefana na ny Cédéao ka nandray izany fanampahan-kevitra izany. Ny fanonganam-panjakana malianina izay nandidy ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny Febroary izao ka nisian’ny fitondrana tetezamita mandritra ny 18 volana sy ny fanendrena avy hatrany ny Praiminisitra vaovao no anton’izany fanatsaharana ireo andrim-panjakana izany. Nnagina izy aloha ny cédéao tamin’ny nanendrena ny kolonely Goïta ho filoha ary mbola tsy niteny tamin’ny nanendrena ny Praiminisitra taorian’ireny fanonganam-panjakana ny Aogositra 2020 ireny ka izao nivoaka tamin’ny fahanginany izao amin’izay

Laisser un commentaire