PolitiqueTatitra

Syrie : Voafidy ho filoham-pirenena indray i Bachar Al-Assad

Nahazo ny vato 95,1% tamin’ireo mpifidy indray ny filoham-pirenena Bachar Al-Assad any Syrie. Efa nanomboka ny taona 2000 izy no teo amin’ny fitondrana ka izao voafidy efa fanintelony izao indray. Efa faniefany kosa ny « mandat »-ny amin’izao fahaliany manaraka izao indray. Omaly alakamisy 27 may no nanambaran’ny filohan’ny Parlemanta, Hammoud Sabbagha, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety fa voafidy indray ho filoha i Bachar Al-Assad ka nahazo ny vato 95,1% tamin’ireo nifidy. Miisa 14,2 tapitrisa ny mpifidy tonga nandatsa-bato tamin’izany hoy hatrany i Hammoud Sabbagha ary nahatratra 76,64% ny tahan’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana raha tokony ho 18,1 tapitrisa no voasoratra tao anaty lisim-pifidianana. Efa nanomboka ny taona 2000 no teo amin’ny fitondrana ity filoha voafidy ity. Mamim-bahoaka tokoa izy satria tamin’ny taona 2014 ihany koa dia nahazo vato 88% ny tenany ary nilatsaka teny an-dalambe mihitsy aza ireo vahoaka tany an-toerana nikorana nampaneno aponga noho izao fahalaniany izao.

Laisser un commentaire