Fy Antenaina Rakotomaro : Handray anjara amin’ny fifaninanana ho tompon-dakan’i Afrika amin’ny lalao “echecs”
Lalao iray anisan’ny mampiasa saina ifanandrinan’ny olona roa ny “jeu d’échecs”. Mahasarika tanora maro ny filalaovana azy ity noho izy sady fialamboly no fampiasana saina. Eo amin’io taranja io indrindra, voafidy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny jeu d’échecs i Fy Antenaina Rakotomaro. Voasokajy ho tompon-dakan’i Madagasikara ary laharana fahadimy tamin’ireo rehetra nisoratra anarana tamin’ity lalao ity izy. Nanomboka ny alatsinainy teo ny fifaninana any Malawi ary hifarana ny 28 may 2021 izao. Ireo 4 voalohany amin’ity fifaninana ity no hisolo tena an’i Afrika mandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany. Taranja fanatanjahan-tena, zava-kanto toy ny hira sy slam, izao indray itony kilalaon-tsaina échecs itony no mampiakatra hatrany ny lazan’i Madagasikara. Ilaina ny kilalaon-tsaina ny fialamboly isan-karazany amin’izao hialana amin’ny rari-tsaina sy ny fitaintainana isan-karazany. Eo taranja ara-kolotsaina sy fanatanjahan-tena, azo lazaina ho manana ny toerany i Madagasikara fa kosa eo amin’ny ara-toekarena toa tsy hita faritra loatra.
Ally Herisoananahary
