ActualitésTsidika

Fiofanana mikasika ny “Leadership”

Ny “leadrship” na antsoina amin’ny teny malagasy hoe fitarihana olona dia fanetsehana ny  vondrona anankiray handray anjara amin’ny fanatratrarana ny tanjona na vina iombonana. Ny mpitarika no manao izay fomba rehetra mba hahatanteraka izany ka mampiasa ny fahaiza-manaony rehetra izy ao anatin’izany. Tsy maintsy misy hatrany ny mpitarika rehefa misy vondrona ary miasa-mafy matetika io olona io. Tsy ny olon-drehetra no afaka maka toerana mpitarika fa izay manana traikefa amin’izany. Ilaina noho izany ny fianarana azy ity mba hahafahana mifehy ny toe-javatra tantanana.

Amin’izao fotoana, maro ny fampianarana mifanentana amin’izany ary handray anjara amin’izany ny BTC Ambohimangakely. Hisy ny mpitarika matihanina ampianatra ireo mpandray anjara, tsy iza izany fa i Faly Rafieferana. Hotanterahina ao amin’ny BTC Ambohimangakely ny famelabelaran-kevitra manomboka ny alakamisy 27 May. Aorian’izay dia hitohy isaky ny Alakamisy ny fampianarana any an-toerana.

Laisser un commentaire