Novatsiana bouteille d’oxygène ny CHRR Maevatanana
Samy miady amin’ity areti-mandringana ity avokoa ny faritra rehetra manerana ny Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny eo amin’ny ministeran’ny fahasalamana izay tarihin’ny Professeur Rakotovao Hanitrala Jean Louis ao anatin’izao ady atao izao. Novatsiana bouteille d’oxygène ny CHRR Bongolava ho fiadiana amin’ny valan’aretina Covid-19. Anisany nisitraka izany ihany koa ny tao Betsiboka. Bouteille d’oxygène miisa 8 no novatsiana tao amin’ny CHRR Maevatanana. Ho fandraisana ireo mararin’ny Covid-19 no anton’izao famatsiana izao. Ny minisitry ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombonantoka aminy no niara-nisalahy ho fanatsarana ny tontolony fitsaboana eto Madagasikara. Tena ilaina izao fampitaovana izao amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 indrindra ho an’ireo olona misy fahasarotana. Zava-dehibe noho izany izao hetsika ataony eo anivon’ny ministeranan’ny fahasalamana izao. Mbola maro amin’ireo toera-pitsaboana anefa no mila izany eto Madagasikara, ho fandraisana an-tanana ireo marary. Andrasana hatrany ny tohiny ny ezaky ny tompon’andraikitra ho fanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka eo amin’ny fitsaboana mba hanaraka ny fenitra ilaina.
Mampionontsoa Rajaonson
