Manchester City : Mifantoka tanteraka amin’ny lalao Champion’s League amin’izao
Nandrombaka ny fiadiana ho tompondakan’i Angleterre i Manchester United ny talata 11 may lasa teo raha naharesy 2 noho ny 1 an’i Leicester. Hifantoka tanteraka amin’ny lalao famaranana Champion’s League ny 29 may ho avy izao araka izany i Manchester City, izay hifaninana amin’ny Chelsea. Hanamarika lehibe ny tantaran’ny firenena tokoa mantsy raha horombahan’ny Manchester ity amboara amin’ny Champion’s League ity satria io no ho volaohany ho azy.
