ActualitésTatitra

Israël : Miomana amin’ny ady i Israël sy Gaza

Manao tohivakana ny isan’ny olona maty any Israël sy ireo mpiady ao Gaza. Tao aorian’ilay alina iray izay nomarihana fifamimpitifirana teo amin’ny Hamas sy Israël, nilaza ny miaramila ao Israel fa nahavita andiana fanafihana vaovao sy lehibe indray. Ireo andiana fanafihana ireo izay nahavoazan’izy ireo tranon’ny mpikambana ambony ao amin’ilay vondrona Hamas. Nanambara ireo vondrona islamika fa nahasimba toby lehibe an’ny polisy ireo fanafihana nisesisesy ireo na tsy hilaza ireo tra-boina aza. Omaly 11 may, trano lehibe iray misy rihana 12 no simba tao amin’ny renivohitr’i Gaza. Ora iray sy sasany mialohan’ny fahasimbana no efa nivoaka ny didy ny mba hialan’ireo olona rehetra tao amin’ity trano ity. Nandefa tifitra avy amin’ireny « drônes » ireny ry zareo avy ao Israel mba ho fampitandremana sy fampiomanana. Ankoatra ireo trano fonenan’ny olona indrindra ireo biraon’ireo tompon’andraikitra ambony ao Hamas.

Laisser un commentaire