Tratra ny olon-dratsy nanendaka teny amin’ny 67Ha
Mampatahotra sy mampiferin’aina ny mivoka ny trano, indrindra eto Antananarivo Renivohitra. Nahitana tranga tsy fahandrim-pahalemana indray teny amin’ ny 67Ha io maraina io. Vehivavy iray handeha hiasa no tratran’ny fanendahana teny 67Ha Atsimo. Nisaringotra tamin’ny “chariot” ny poketran’ity vehivavy ity ka tsy lasan’ny mpanendaka. Tamin’ny fotoanan’ny fanendahana mantsy dia nisy marary noentina tamin’ny “chariot” tamin’iny toerana iny. Tamin’izay indrindra no nifandrimbona ny fokonolona teny an-toerana ka tratra ity olon-dratsy ity. Nentin’ny hatezerana ireto fokonolona ireto ka niaran’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ilay mpanendaka. Naratra mafy ilay mpanendaka noho ny vono izay nahazo azy. Minitra vitsy taty aoriana dia tonga ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafiton’ny mpitandro filaminana, nandamina ny raharaha sy niaro ny ain’ilay lehilahy mpanendaka. Mampiorohoro sy mampitaraina ny vahoaka ny tsy fahandriam-pahalemana toy izao ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny handray andraikitra amin’ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany.
Mampionontsoa Rajaonson
