Toliara : Drakaka 1 Taonina tsy ara-dalàna no nogiazana
Manan-karena ala honko (mangrove) i Madagasikara satria 2% amin’ny ala honko maneran-tany no hita eto Madagasikara, izay manodidina ny 236 400 Ha. Toerana fanatodizana sy fiveloman’ny hazan-drano samihafa ny ala honko, toy ny drakaka, ny makamba, ny trondro, ary koa fonenan’ireo vorona sy gidro ihany. Ireto farany izay isan’ny harem-pirenena ihany koa indrindra fa ny drakaka. Misy anefa ny mandripaka ny drakaka tsy araka ny tokony ho izy toy ny niseho tany Toliara. Drakaka milanja 1 taonina no tsy maintsy nogiazana tao Toliara noho ny tsy fanarahan-dàlana nataon’ny orinasa mpitrandraka iray. Raha ny tokony ho izy manko, 11 santimetatra farafahakeliny no tokony habeny vao azo alaina sy trandrahana ny drakaka. Tsy nahafehy izany fepetra izany anefa ny ity orinasa ity raha ny tatitra nataon’ireo mpanara-maso eny anivon’ny jono an-dranomasina. Voatery naverina tamin’ny toerana nisy azy araka izany ireto drakaka ireto ka rehefa mahafeno ny fepetra vao azo amidin’ireo orinasa manara-dalàna hoy ny tompon’andraikitra. Ampidirina ao anaty kitapom-bolam-panjana ihany koa ny vidin’ireto drakaka ireto rehefa hary tsara. Ny tsy fahandrasana ny andro zoma ihany manko no tsy nampanidina ny akoho, koa mba tsy hidiran’ny tsy fahatomombanana, aleo arahina ihany aloha ny fepetra.
Nicole Rafalimananjara
