SocialTsidika

Fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ireo zandary tany Manerinerina

Tsy mandry andro aman’alina ireo manampahafena tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray tany Ambondrona Manerinerina ny alin’ny alatsinainy 10 may teo. Dahalo mpangalatr’ omby mitam-piadiana no tonga nanafika tao an-tanàna ary nanapoaka basy mba hanairana sy hamaphafantarana ireo mponina tao an-toerana ny fahatongavany. Nivoaka avy hatrany anefa ireo zandary teo an-toerana raha vao nandre ny poa-basy ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo dahalo. Navelan’ireo dahalo noho izany ny omby miisa 31 nalainy noho ny fahamafisan’ny fifandonana tamin’ireo zandary. Tafaverina soa amantsara any amin’ny tompony ireo omby ireo. Mbola eo andalampanaovana fikarohana ireto olon-dratsy fanetriben’ny firenena ireto ny eo anivon’ny zandariamaria amin’izao fotoana. Mandry andriran’antsy ireo mponina amin’ny afitsok’ireo dahalo izay tena misesisesy tato ho ato izay. Ankoatra ny fanafihana izay ataony, tena mampihorohoro ireo vahoaka mihitsy ireto dahalo mitondra fitaovam-piadiana ireto.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire