SocialTatitra

Brésil : 25 farafahakeliny no maty tamin’ny fifandonan’ny mpitandro filaminana sy ny mpivarotra rongony tao amin’ny favelas tany Rio

Tsy latsaky ny 25 ireo maty tany Rio de Janiero ny alakamisy 6 may lasa teo nandritra ny hetsika fanoherana ny zava-mahadomelina. Ity no isa nahafaty olona betsaka indrindra tany an-toerana hatramin’izay hoy ny polisy. Tany Jacarezinho, avaratry Rio no tena niseho ny tantara izay nahitana fatin’olona niapatrapatra sy ra mandriaka ary nafatratra tanaty fiaran’ny polisy raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Ny tokony ho nataony no nataony hoy ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny polisy ary nisy polisy iray namoy ny ainy aza nandritra izany. Nilaza kosa anefa i Silvia Ramos, Mpandrindra ny tambajotran’ny ONG misahana ny filaminam-bahoaka, fa valifaty noho ilay polisy maty tany am-piandohan’ny hetsika izao. Handrava ireo andian-jiolahy mpanondrana zava-mahadomelina izay mampiasa zaza tsy ampy taona no tanjona tamin’ity hetsika ity hoy indray ny polisy. Efa namotopototra tsara izy ireo mikasika ireo ahiahiana izay vao nirotsaka an-tsehatra, ary 24 tamin’ireo ahiahiana ireto maty ireto, akoatra ilay polisy iray maty.

Laisser un commentaire