ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nanambara ny fisaraham-panambadiany i Bill sy Melinda Gates

Mpivady nandritra ny 27 taona ary niara-niasa nandritra ny 20 taona ity iray amin’ireo manan-karena inrindra eran-tany Bill Gates ity sy ny vadiny Melinda izao nanambara ny fisarahany izao. Na izany aza dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny aretina. Tao amin’ny tambajotra twitter moa no namoahany izao vaovao izao ka nanambarany fa tao aorian’ny dinika nifanaovana dia tapa-kevitra ny hamarana ny fanambadiany izy ireo. Laharana fahaefatra amin’ireo olona mpanefoefo maneran-tany i Bill Gates ary anisany nahatonga azy tamin’izany toerany izany ny fanorenana ny orinasa Microsoft.

Laisser un commentaire