Chine : Nihena be ny isan’ny mponina
Vonona hamoaka ny fanisam-bahoaka ny taona 2020 i Chine izay sambany hatramin’ny taona 1950. Nihena be ny mponina any an-toerana hoy ny Financial Times sy ny South China Morning Post ny talata 27 aprily lasa teo. Naseho hiharihary ny krizy demografikan’ny sinoa, fa tena tsy mitombo mihitsy. Nanatanteraka fanisana mponina ny tompon’andraikitra ny voalohan’ny volana aprily tamin’ny taon-dasa teo. Ny fihenana tahaka izao dia milaza ny tsy fahombiazan’ny politikan’i Xi Jinping izay nametra fa zaza iray ihany no ateraka tamin’ny taona 2015. Efa nahitana fihenana 10 % ny mponina ny taona 2017 ary dia tsy nitsaha-nihena ihany izany. Ahiana ho hisy fiatraikany eo amin’ny ara-ekonomika izany fihenana izany satria mihena ihany koa ny olona afaka miasa ary vao maika manaantitra haingana ny olona. An-dalam-pitadiavana vahaolana amin’izany araka izany izy ireo.
