Algérie : Nosamborina i Karim Tabbou
Notazomina arahi-maso ny mpanohitra Karim Tabbou izay mpitarika ny hetsika fanoherana any Algérie ny alin’ny alarobia 28 aprily lasa teo tany Alger, taorian’ilay fitarainana napetraka momba azy izay nataon’ny Filohan’ny Filan-kevitra Nationalin’ny Zon’Olombelona, Bouzid Lazhari hoy ny Mpisolovava azy, Ali Fellah Benali. Miakatra fitsarana ny alakamisy 29 aprily izy hoy hatrany ity mpisolovava ity tao amin’ny tambajotra sosialy. Nanapa-kevitra ny hampiasa ny arabe ny hetsika pro-demokrasia any Algerie na dia aza ny fitaovam-pamoretana nasetrin’ny fitondrana ny mpanohitra hoy ity voasambotra talohan’ny fisamborana azy.
