SocialTatitra

Burkina Faso : Burkinabé iray sy vahiny telo no tsy hita popoka

Olona efatra, teratany vahiny telo sy Burkinabé miasa amina ONG no tsy hita popoka taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nisy ny Alatsinainy 26 aprily teo tany atsinanan’i Burkina Faso noho ny fanoherana ny fisafoana ataon’ny polisy. Voatafika ny mpanao fisafoana izay misy ny polisy, mpiambina ala, mpanao gazety tandrefana, mpampiofana tao amin’ny « Fada N’Gourma-Pama ». Naratra nandritra izany ny olona telo, ary ny efatra tsy hita popoka hatramin’izao. Miantso ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena manoloana ny zava-misy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Olona maro mitam-piadiana nentina fiara roa « pick-up » sy kodiaran-droa am-polony izao fanafihana izao hoy ny avy ao amin’ny lafin’ny fiarovana. Efa matetika loatra ny fanafihana ataon’ireo vondrona mpampihorohoro any Burkina Faso.

Laisser un commentaire