Mitondra tombontsoa ho an’ny sehatry ny fizahantany ny vaksiny
Manantena ny ahita vahaolana amin’ity sehatra tsy mitsaha-mihen-danja ity ireo mpikarakara sy mpandraharaha manodidina ny fizahantany. Vahaolana ho an’izy ireo tokoa mantsy ny vaksiny. Mba mety hisy amin’izay ny fahalalahana amin’ny fivezivezena rehefa tonga eto Madagasikara io vaksiny io. Manantena ny hisokafan’ny sisin-tany izy ireo manoloana izany. Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy handairan’ny aretina ireo izay efa vita fanefitra any amin’ny firenena hafa. Tsy misy tokony hatahorana intsony araka izany y fifamezivezena. Mbola olana mipetraka anefa ny fitandrovana indray ny ain’ny Malagasy manoloana izany. Mila dinihana tsara avokoa ny mahakasika izany rehetra izany vao azo hambara ho malalaka ny sisintany. Mila drafitra sy paik’ady mazava mba hisorohana ny mety ho olana hafa voavao indray. Ireo mpisehatra amin’ny fizahantany anefa efa hita fa velom-bolo manoloana io vaksiny io. Ny minisitry ny fahasalamana ihany koa etsy ankilany nilaza fa tokony amin’ny volana jolay ho avy izao no hiditra eto Madagasikara ny vaksiny. Nilaza kosa anefa ny mpisehatra eo amin’ny fizahantany fa tsy tokony ho sakana ho antsika ny hidiran’ireo mpizahantany avy any ivelany raha toa ka manamarina ny fahavitany vaksiny amin’ny alalan’ny karatra izy ireo. Ity paik’ady ity izay efa malaza manerantany ankehitriny. Azo atao ihany koa ny mamela ireo mpizahantany anatiny hanao fitsidihana raha toa a mahavita vaksiny soamatsara izy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
