SocialTsidika

Kabarin’ny filoha : Samy manana ny fandraisany azy ny olona

Vita ny Alahady 18 Avrily teo ny kabarin’ny Filoham-pirenena Malagasy mikasika ireo fepetra raisina amin’ity 15 andro manaraka ity. Ny olona tsy maintsy miteny foana, tao ny nanaiky ny fepetra ary mahita ny mahamety azy, tao ny nanakiana. Indrindra tamin’ny fepetra nomena an’Analamanga mikasika ny fihibohana ny Sabotsy sy Alahady. Fa angaha amin’ireo andro ireo ihany no mivoaka ny aretina hoy ireo te hihiboka mandritra ny tontolo androny. Ao kosa ireo faly satria tsapan’izy ireo fa mitsinjo ny andro fivelomana tokoa ity fepetra ity. Ny tena ts’inona tsy maintsy mihinana na misy na tsy misy ny fihibohana. Fa isan’ireo tena nampimenomenona ny Malagasy ihany koa ny fanidiana ny fiangonana sy ny Mosquée, sakanana hatramin’ny fanompoana an’Andriamanitra ve izany ? Hoy ny sasany. Ireny anefa no tapakin’ny fahefana mahefa, napetraka mba ho arahina. Natao izany mba hanenana ny fivezivezen’ny olona, tsikaritra tokoa mantsy fa manararaotra mivoaka ny ankamaroan’ny olona rehefa faran’ny herinandro. Rehefa an-davanandro mantsy variana amin’ny fitadiavam-bolany ny tsirairay izay misy any amin’ny Birao sy toeram-piasana hafa any ka tsy afaka mivoaboaka aty ivelany. Samy manana ny fandraisany ireny kabary ireny araka izany ny tsirairay araka izay fahazahoany azy ihany. Izay anefa aloha no tapaka ka mila arahina an-tsakany sy an-davany satria mahasoa matoa apetraka. Noraisin’ny mpitondra ny andraikitra satria raha tohizana amin’ny fiainana an-davan’andro io, ny Hopitaly sy ny toerana hafa fandraisana marary aza io efa feno dia ho aiza indray izay vao harary eo raha tsy misy ny fepetra hanenana ny marary toy izao ?

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire